« Mialoha | Manaraka»

20.12.09

AO ANATIN'NY FOKO AO

Posted in Ankapobeny | 17:22

Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit
Ao anatin'ny foko ao !
Misy Nosy feno voninkazo,
Mandeha ny andro sy ny volana,
Miandry ahy ny Taniko.
 
Voninkazo Pervenche de Mada !
No mameno ny saiko izao,
Sy ireny Flamboyant menamena,
Ny Taniko manambaka volamena.
 
Ny masoandro mibaliaka !
Ilay Nosiko feno Jacaranda,
Ny rivotra mikalo moramora,
Miantso ny zanany là-bas.
 
Ao anatin'ny foko ao !
Misy Jatropha curcas,
Nosy toy ny Oiseau de Paradis,
Manimanina Anao izaho aty.
 
Tritriva  29/08/08 
Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

4 Hevitra | "AO ANATIN'NY FOKO AO" »

  1. Kdaombaramita :

    21/12/2009, at 12:56 [ Valio ]

    Ouaaaahhh, misy talenta miafina mitady hifoha ao anaty fonao ao ! Tsy ratsy leity e !

  2. maeva74 :

    21/12/2009, at 13:24 [ Valio ]

    Oh là là e! nientana hatraamin'ny foko ry mangamaso hihihi tsara e!
    ireo toerana maha-te hihonina be

  3. mangamaso2 :

    21/12/2009, at 17:25 [ Valio ]

    Kdaomb : Angamba misy talenta, Nefa tsy mety mivoaka, Raha tsy eo ny aingam-panahy, Sy ny vokabolary miaraka aminy. ;-)
  4. mangamaso2 :

    21/12/2009, at 17:37 [ Valio ]

    mangamaso2

    Maeva :
    Efa nahita anie aho !
    Toerana tahaka ny Paradisa,
    Ao Gasikaran-tsika ao,
    Na dia misy aza ireo mpanimba.
    :-)